27 Fantatro tsara anefa ianao na rehefa mipetraka, na rehefa miditra, na rehefa mivoaka.+
Fantatro tsara koa rehefa tezitra be amiko ianao,+
28 Satria efa tonga atỳ am-poto-tsofiko ny teninao+ tamin’ianao tezitra be tamiko+ sy nitabataba be.
Dia hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy+ eo amin’ny vavanao,
Ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.”+