32 “‘Izao àry no tenin’i Jehovah momba ny mpanjakan’i Asyria:+
“Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity+ izy,
Na handefa zana-tsipìka ato,
Na hiady amin’ity tanàna ity miaraka amin’ny ampinga,
Na hampiakatra dongon-tany hanaovana fahirano azy.+
33 Ny lalana niaviany ihany no hiverenany.
Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy”, hoy i Jehovah.
34 “Fa hiaro an’ity tanàna ity aho,+ ka hamonjy azy noho ny anarako,+
Sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”’”+