-
Genesisy 18:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Efa fantatro tsara izy izao. Koa azoko antoka hoe hasainy manaraka ny lalan’i Jehovah ny ankohonany sy ny zanany handimby azy, ka hanao ny tsara sy hanao ny rariny.+ Amin’izay dia hotanterahin’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nampanantenainy momba azy.”
-
-
Deoteronomia 4:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Fa mitandrema fotsiny, dia tandremo tsara sao hadinoinao ny zavatra efa hitan’ny masonao, ary sao hiala ao am-ponao izany mandritra ny androm-piainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao koa izany.+
-
-
Josoa 4:21-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Dia hoy izy tamin’ny Israelita: “Rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana any hoe: ‘Fa inona no dikan’ireo vato ireo?’,+ 22 dia hazavao aminy hoe: ‘Nandeha teo amin’ny tany maina ny Israely rehefa niampita an’i Jordana,+ 23 satria nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ritra teo anoloan’izy ireo ny ranon’i Jordana, mandra-pahatongan’izy ireo teny ampita. Hoatr’izany koa no nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ny Ranomasina Mena mandra-pahatongantsika teny ampita.+ 24 Nanao an’izany izy mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa mahery ny tanan’i Jehovah.+ Amin’izay koa ianareo hatahotra foana an’i Jehovah Andriamanitrareo.’”
-