-
Isaia 2:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Any am-parany any,*
Ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah
Dia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+
Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.
Ary hiaraka ho any ny firenena rehetra.+
3 Be dia be ny olona ho any, ka hiteny hoe:
“Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,
Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba.+
Hampianatra antsika ny lalany izy,
Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”+
-
-
Isaia 56:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,
Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+
Ary mba ho mpanompony,
Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,
Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,
7 Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,
Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.
Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako.
Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+
-
-
Zakaria 2:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Firenena maro no hiandany amin’i Jehovah amin’izany andro izany,+ ka ho lasa vahoakako. Dia honina eo aminao aho.” Ary ho fantatrao fa i Jehovah Tompon’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminao.
-