2 “Raha mividy mpanompolahy hebreo ianao,+ dia ho mpanompo mandritra ny enin-taona izy. Fa amin’ny taona fahafito kosa, dia hafahana izy ary tsy handoa na inona na inona.+
10 Ary hamasino ny taona faha-50, ka ataovy antso avo amin’ny mponina rehetra ao amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana.+ Ho Jobily ho anareo izany, ka samy hahazo ny lovanareo indray ianareo ary samy hiverina any amin’ny fianakavianareo avy.+