12 Nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ niaraka tamin’ny reniny, ny mpanompony, ny andrianany, ary ny tandapany.+ Dia nalain’ny mpanjakan’i Babylona ho babo i Joiakina, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.+
24 “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah, ‘dia hotsoahako hiala eo an-tanako ianao, ry Konia*+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, na dia toy ny peratra fanombohan-kase eto amin’ny tanako ankavanana aza!