-
2 Mpanjaka 25:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga hanafika an’i Jerosalema+ i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin’i Jerosalema izy, ka nanangana manda nanodidina azy.+ 2 Ary natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.
-
-
Jeremia 52:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga hanafika an’i Jerosalema i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin’i Jerosalema izy ireo, ka nanangana manda nanodidina azy.+ 5 Ary natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.
-