FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 52 Hataony fahirano ianao ka hohidiany ao amin’ny tanànanao* rehetra manerana ny taninao, mandra-pirodan’ny mandanao, dia ireo manda avo sy voaro mafy itokisanao. Hataony fahirano tokoa ianao ao amin’ny tanànanao rehetra manerana an’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • 2 Mpanjaka 25:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga hanafika an’i Jerosalema+ i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin’i Jerosalema izy, ka nanangana manda nanodidina azy.+ 2 Ary natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.

  • Isaia 29:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Hitoby manodidina anao aho ka hanafika anao.

      Hataoko fahirano ianao ka hasiako fefy hazo manodidina anao.

      Dia hofefeko ny manodidina anao mba hanaovana fahirano anao.+

  • Jeremia 39:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia mpanjakan’ny Joda, dia tonga nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo.+

  • Ezekiela 4:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky dia apetraho eo anoloanao ilay izy. Asio sarin’ny tanànan’i Jerosalema eo an-tampony. 2 Dia ataovy fahirano izy io,+ ka manangàna manda+ sy dongon-tany* manodidina azy mba hanaovana fahirano azy.+ Manorena koa toby hanafihana azy, ary asio lohondry vy* manodidina azy.+

  • Ezekiela 21:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Fa mijanona mba hanao sikidy eo amin’ny sampanan-dalana ny mpanjakan’i Babylona, satria eo no misampana ny lalana. Ahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Anontaniany ny sampiny,* ary dinihiny ny atin-kena. 22 Dia manondro an’i Jerosalema ilay sikidy eny an-tanany ankavanana, ka hampiasa lohondry vy fandravana izy, hanome baiko ny miaramilany mba handripaka olona, hanao hiakan’ady, hampiasa lohondry vy handrodanana vavahady, ary hanangana dongon-tany sy manda hanaovana fahirano.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara