- 
	                        
            
            Jeremia 41:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
11 Henon’i Johanana+ zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaela zanak’i Netania.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Jeremia 41:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
16 Nalain’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ny vahoaka sisa rehetra avy tany Mizpa, izay nafahany avy teo an-tanan’i Ismaela zanak’i Netania, taorian’ny namonoan’i Ismaela an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama. Nentiny niverina niaraka tamin’izy ireo avy tany Gibeona, na lehilahy, na miaramila, na vehivavy, na ankizy, na tandapa.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Jeremia 43:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
2 dia niteny tamin’i Jeremia i Azaria zanak’i Hosaia sy Johanana+ zanak’i Karea ary ny lehilahy rehetra nanambony tena hoe: “Mandainga ianao! Tsy naniraka anao hilaza aminay i Jehovah Andriamanitray hoe: ‘Aza mandeha mipetraka any Ejipta.’
 
 -