-
Jeremia 41:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nalain’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ny vahoaka sisa rehetra avy tany Mizpa, izay nafahany avy teo an-tanan’i Ismaela zanak’i Netania, taorian’ny namonoan’i Ismaela an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama. Nentiny niverina niaraka tamin’izy ireo avy tany Gibeona, na lehilahy, na miaramila, na vehivavy, na ankizy, na tandapa.
-
-
Jeremia 42:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
42 Dia nanatona an’i Jeremia ny lehiben’ny tafika rehetra, sy Johanana+ zanak’i Karea, sy Jazania zanak’i Hosaia, ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. 2 Hoy izy ireo tamin’i Jeremia mpaminany: “Mba henoy re ny fitalahoanay e, ka mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitrao ho anay rehetra tavela eto! Be dia be mantsy izahay taloha nefa ireo sisa,+ araka izao hitanao izao. 3 I Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay!”
-