-
Isaia 15:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Izany no mahatonga ny miaramilan’i Moaba hiantsoantso mafy foana.
Mangovitra izy.
5 Mitaraina aho ato am-poko noho ny amin’i Moaba.
Tonga hatrany Zoara+ sy Egleta-selisia+ ny olona nandositra avy any Moaba.
Samy mitomany izy ireo miakatra ny fiakarana any Lohita,
Ary mitaraindraina eny an-dalana mankany Horonaima, noho ilay loza mitranga.+
6 Ritra tanteraka ny ranon’i Nimrima.
Maina ny ahi-maitso,
Maty ny ahitra, ary tsy misy zava-maitso intsony.
-