-
Jeremia 10:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Tsy malina àry izy ireo rehefa manao zavatra,
Ka miparitaka daholo ny andian’ondriny.”+
-
-
Jeremia 23:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Izao àry no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mba hanamelohana an’ireo mpiandry izay miandry ny vahoakany: “Aparitakareo ny ondriko. Aelinareo izy ireo, fa tsy karakarainareo.”+
“Koa tsy hananako antra ianareo noho ny ratsy nataonareo”, hoy i Jehovah.
-
-
Ezekiela 34:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Ry zanak’olona, maminania hoe hisy loza hanjo an’ireo mpiandry ondry eo amin’ny Israely. Maminania ka lazao amin’ireo mpiandry ireo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hahita loza ny mpiandry ondry any Israely,+ izay mamahan-tena fotsiny! Tsy ny andian’ondry ve no tokony homeny sakafo?+
-
-
Ezekiela 34:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nirenireny teny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra teny ny ondriko. Niparitaka nanerana ny tany izy ireo, nefa tsy mba nisy nikaroka na nitady.
-