FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 21:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Nisy fahitana mahakivy naseho tamiko:

      Mivadika ny mpivadika,

      Ary mandringana ny mpandringana.

      Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+

      Hatsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+

  • Jeremia 51:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Ataovy maranitra ny zana-tsipìka.+ Raiso ny ampinga boribory.*

      Nentanin’i Jehovah ireo mpanjakan’ny Medianina,+

      Satria mikasa handrava an’i Babylona Izy.

      Fa hamaly ny nataony i Jehovah, dia ny nandravana ny tempoliny.

  • Jeremia 51:27, 28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “Manangàna famantarana* ao amin’ilay tany!+

      Tsofy any amin’ireo firenena ny anjombona.

      Tendreo* ireo firenena hanafika azy.

      Antsoy hamely azy ny fanjakan’i Ararata+ sy Miny ary Askenaza.+

      Manendre manamboninahitra hiantso olona ho miaramila hiady aminy.

      Asaivo miakatra toy ny andiana kijeja ireo soavaly.

      28 Tendreo* hanafika azy, ireo firenena,

      Izany hoe ireo mpanjakan’i Media,+ ny governorany, ny solontenam-panjakana rehetra ao aminy,

      Ary ny tany rehetra anjakan’izy ireo.

  • Jeremia 51:48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao amin’ireo,

      Dia hihoby noho izay hanjo an’i Babylona.+

      Fa ho tonga ao aminy avy any avaratra+ ireo mpandrava”, hoy i Jehovah.

  • Daniela 5:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “PERESA: Nozaraina ny fanjakanao, ka homena ho an’ny Medianina sy ny Persianina.”+

  • Daniela 5:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara