FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 21:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Jereo ireny tonga ireny!

      Ireny misy lehilahy mitaingina kalesin’ady tarihin’ny soavaly roa!”+

      Dia niteny izy hoe:

      “Nianjera, nianjera i Babylona!+

      Natontany tamin’ny tany daholo ny sary sokitra nataony andriamanitra, ka potipotika!”+

  • Jeremia 51:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Nianjera tampoka i Babylona ary torotoro.+

      Midradradradrà noho ny aminy!+

      Makà balsama fa manaintaina izy, sao mba mety ho sitrana ihany izy.”

  • Jeremia 51:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Mihazakazaka ny mpitondra hafatra iray ka mifanena amin’ny mpitondra hafatra iray hafa,

      Ary mihazakazaka koa ny iraka iray ka mifanena amin’ny iray hafa,

      Mba hilaza amin’ny mpanjakan’i Babylona fa azon’ny fahavalo ny faritra samihafa amin’ilay tanànany,+

  • Jeremia 51:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 “Raha iny mbola mazotozoto iny izy ireo, dia hanaovako fanasambe sy hataoko mamo,

      Mba hifalifaliany.+

      Dia hatory mandrakizay izy ireo

      Ka tsy hifoha intsony”,+ hoy i Jehovah.

  • Jeremia 51:57
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 57 Hataoko mamo+ ny andrianany, ny olon-kendriny,

      Ny governorany, ny solontenam-panjakany, ary ny miaramilany.

      Hatory mandrakizay ireo

      Ka tsy hifoha intsony”,+ hoy ilay Mpanjaka, izay manana anarana hoe Jehovah Tompon’ny tafika.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara