-
Isaia 34:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Manana sabatra i Jehovah, dia ho feno ra ilay izy,
Fa manao sorona ao Bozra i Jehovah,
Ka be dia be no aripany ao Edoma.+
7 Hiara-midina amin’ireny ny ombidia,
Ary ny vantotr’ombilahy hiaraka amin’ireo matanjaka.
Ho vonton-dra ny tanin’izy ireo,
Ary ho vonto menaka ny vovo-taniny.”
-
-
Ezekiela 39:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Hihinana ny nofon’ny matanjaka ianareo, ary hisotro ny ran’ny mpiadidy eny ambonin’ny tany, dia ny ondrilahy, ny zanak’ondry, ny osy, ary ny ombilahy, izany hoe ny biby nohatavezina rehetra any Basana.
-