-
Isaia 63:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
63 Iza iny tamy avy any Edoma+ iny,
Iny avy any Bozra+ iny, sady manao akanjo marevaka?*
Manao fitafiana tsara be koa izy,
Sady hita amin’ny fandehany hoe tena mahery sy manana fahefana.
“Tsy iza fa izaho, Ilay milaza ny marina,
Ilay manan-kery lehibe hamonjena.”
2 Nahoana no mena ny fitafianao,
Ary nahoana ny akanjonao no hoatran’ny an’ny mpanitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazam-boaloboka?+
3 “Izaho irery no nanitsakitsaka ny voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy,
Fa tsy nisy niaraka tamiko ny olona avy any amin’ireo firenena.
Dia nohitsakitsahiko ireny sady tezitra ihany aho,
Ary nohosihoseko ireny sady nisafoaka ihany aho.+
Dia nipitipitika teo amin’ny akanjoko ny rany,
Ka nolotoiko ny akanjoko rehetra.
-
-
Obadia 8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Hoy i Jehovah: “Amin’izany andro izany,
Dia haringako ny olon-kendrin’i Edoma,+
Ary haringako ny olona misaina, ao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Esao.
-