-
Apokalypsy 17:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tonga ny iray tamin’ireo anjely fito nanana vilia fito,+ ka hoy izy tamiko: “Avia fa hasehoko anao ny fitsarana an’ilay mpivaro-tena lehibe mipetraka eo ambonin’ny rano maro.+ 2 Nijangajanga*+ taminy ny mpanjakan’ny tany, ary natao mamon’ny divain’ny fijangajangany* ny mponina eny ambonin’ny tany.”+
-
-
Apokalypsy 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Fa ny divainy, izany hoe ny faniriany mafy hijangajanga,* no nahamamo ny firenena rehetra+ sady nahatonga ny mpanjakan’ny tany hijangajanga* taminy.+ Dia lasa nanan-karena ny mpivarotra* teto an-tany noho ny zavatra lafo vidy maro be nangoniny, ary efa tsy nahamenatra azy intsony ny nanangona an’izany.”
-