-
Habakoka 2:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Hahita loza ilay manao ny tsy rariny mba hahazoana tombony ho an’ny fianakaviany!*
Tiany haorina eny amin’ny avo mantsy ny akaniny,
Amin’izay izy tsy ho tratran’ny loza.
-
-
Apokalypsy 18:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “Hitomany sy halahelo azy koa ny mpivarotra eto an-tany, satria tsy hisy hividy intsony ny tahirin’entany rehetra, 12 izany hoe tahirim-bolamena, volafotsy, vatosoa, perla, lamba rongony tena tsara, lamba volomparasy, lamba landy, lamba mena midorehitra, zavatra rehetra vita amin’ny hazo mani-pofona, zavatra isan-karazany vita amin’ny ivoara sy hazo sarobidy sy varahina sy vy ary marbra,
-
-
Apokalypsy 18:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia nanipy vovoka teo amin’ny lohany izy ireo sady niantsoantso mafy no nitomany sy nalahelo, ka niteny hoe: ‘Indrisy! Indrisy, fa tao anatin’ny adiny iray fotsiny dia nanjavona ilay tanàna lehibe!+ Ny harenany anefa no nahatonga an’izay nanan-tsambo teny an-dranomasina ho lasa mpanankarena.’
-