-
2 Mpanjaka 25:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nentin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany amin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny mponina sisa tavela, ka nataony sesitany.+ 12 Navelan’ilay lehiben’ny mpiambina tao amin’ilay tany kosa ny sasany tamin’ireo mahantra faraidiny, mba hikarakara tanimboaloboka sy hanao asa an-terivozona.+
-
-
Jeremia 39:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia nentin’i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiambina, ny vahoaka sisa tao an-tanàna, sy ireo efa nitolo-batana tany aminy, ary izay olon-kafa sisa tavela, ka nataony sesitany tany Babylona.
10 Fa navelan’i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina hijanona tao Joda kosa ny sasany tamin’ireo mahantra faraidiny, izay tsy nanana na inona na inona. Nomeny tanimboaloboka sy tany hovolena* koa izy ireo,+ tamin’izany andro izany.
-