-
Jeremia 8:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “Nahoana isika no mipetra-potsiny eto?
Andao hifamory ka hiditra ao amin’ireo tanàna voaro mafy+ ary ho faty ao.
Fa handringana antsika i Jehovah Andriamanitsika,
Ka omeny rano misy poizina isika hosotrointsika,
Satria nanota tamin’i Jehovah isika.
-
-
Jeremia 23:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Izao àry no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika mba hanamelohana an’ireo mpaminany ireo:
“Hampihinaniko zavamaniry mangidy be izy ireo,
Ary hampisotroiko rano misy poizina.+
Fa miely eran’ilay tany ny fivadiham-pinoana, noho ny ataon’ireo mpaminanin’i Jerosalema.”
-
-
Fitomaniana 3:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Novokisany zavatra mangidy aho, ary nosesefany zavamaniry mangidy be.+
-