FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 40:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Mifidy hazo ny olona mba hataony fanomezana,+

      Dia hazo tsy ho lo.

      Mitady mpanao asa tanana mahay izy,

      Mba hanamboatra sary sokitra izay tsy hitongilangilana.+

  • Isaia 44:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Misy indray mpikapa hazo sedera.

      Mifantina hazo izy, dia hazo oaka,

      Ary avelany hitombo tsara miaraka amin’ny hazo any an’ala ilay izy.+

      Mamboly hazo lorie koa izy, ary ny ranonorana no mampaniry azy.

      15 Ataon’olona kitay andrehetana afo anefa ilay izy avy eo.

      Akany ilay izy dia eo izy no mitanina afo.

      Mampirehitra afo izy dia manao mofo.

      Manamboatra andriamanitra koa anefa izy dia mivavaka amin’izany.

      Ataony sary sokitra izany dia iankohofany.+

  • Isaia 45:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Mivoria ka avia!

      Manatòna daholo ianareo afa-nandositra avy any amin’ireo firenena.+

      Tsy mahafantatra na inona na inona ireo mitondra sary sokitra mandehandeha,

      Sy mivavaka amin’andriamanitra tsy mahavonjy azy.+

  • Habakoka 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Inona no soa entin’ny sary sokitra,

      Nefa ilay namorona azy ihany no nanao sokitra azy?

      Ary inona no soa entin’ny sarivongana metaly* sy ny mpampianatra lainga,

      Na dia matoky an’ilay sarivongana aza ilay namorona azy,

      Ary nanao andriamanitra tsy misy dikany sady moana?+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara