FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 41:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Ny mpanao asa tanana dia mampahery ny mpanefy.+

      Ilay manafisaka vy amin’ny marotoa kosa

      Mampahery an’ilay mively eo amin’ny riandriana.*

      Hoy izy: “Mitambatra tsara izy izany!”

      Dia fantsihana ilay sampy avy eo mba tsy hitongilangilana.

  • Isaia 46:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Misy olona mandraraka volamena be dia be avy ao amin’ny kitapom-bolany,

      Dia mandanja volafotsy amin’ny mizana.

      Manakarama mpanefy izy ireo, ka amboariny ho lasa andriamanitra ilay volafotsy.+

      Dia miondrika izy ireo, ary mivavaka* aminy.+

       7 Ingain’izy ireo ho eo an-tsorony ilay sampy,+

      Dia entiny sy apetrany eo amin’ny toerany ka mijanona eo fotsiny.

      Tsy mihetsika eo amin’ny toerany ilay izy.+

      Dia mitaraina aminy izy ireo, nefa tsy mamaly izy,

      Satria tsy afaka mamonjy na iza na iza amin’ny fahoriana.+

  • Jeremia 10:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Fa fitaka* ny fanaon’ireo firenena.

      Hazo nokapaina tany an’ala fotsiny ilay izy,

      Dia namboarin’ny mpanao asa tanana tamin’ny fitaovany.*+

       4 Ravahany volafotsy sy volamena ilay izy,+

      Ary nakambany tamin’ny marotoa sy fantsika mba tsy hianjera.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara