FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 65:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Mamelatra ny tanako tontolo andro amin’ny vahoaka mafy loha aho,+

      Dia amin’izay mandeha amin’ny lalan-dratsy,+

      Sady manao izay saim-pantany fotsiny.+

  • Jeremia 7:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nandeha araka izay saim-pantany* sady nikiry nanaraka ny fo ratsiny.+ Nihemotra àry izy ireo fa tsy nandroso,

  • Jeremia 7:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Tsy nety nihaino ahy anefa ity vahoaka ity na nanongilan-tsofina.+ Mafy loha* izy ireo ka nanao zavatra ratsy kokoa noho ny nataon’ny razambeny!

  • Ezekiela 20:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘“Nikomy tamiko anefa izy ireo sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nariany ny zavatra maharikoriko notompoiny, ary tsy nafoiny ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Nilaza àry aho fa ho tezitra be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any Ejipta.

  • Zakaria 7:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tsy nety nihaino mihitsy anefa izy ireo,+ sady mafy loha+ sy nanao be marenina.+ 12 Nataony mafy toy ny vato* ny fony,+ dia tsy nankatoaviny ny lalàna* sy ny teny nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika tamin’ny alalan’ny fanahiny ka nasainy nampitain’ny mpaminaniny fahiny.+ Dia tezitra be i Jehovah Tompon’ny tafika.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara