-
Eksodosy 20:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Izaho no Jehovah Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+
-
-
Jeremia 23:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Ho avy anefa ny andro”, hoy i Jehovah, “izay tsy hilazana intsony hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan’Israely avy tany Ejipta!’+ 8 Fa izao kosa no holazaina: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka sy nampody ny taranaky ny vahoakan’Israely avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahako azy.’ Dia hipetraka ao amin’ny taniny izy ireo.”+
-