30 “Hahita loza ireo zanaka mafy loha”,+ hoy i Jehovah,
“Dia izay manatanteraka izay kasainy hatao, fa tsy izay kasaiko hatao,+
Sy manao fifanekena, nefa tsy notarihin’ny fanahiko,
Ka vao mainka mitombo ny fahotany.
2 Mandeha midina any Ejipta+ izy ireo nefa tsy manontany ahy akory.+
Te hitady fiarovana amin’i Farao,
Sy hialokaloka amin’i Ejipta izy ireo.