-
Levitikosy 2:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “‘Raha misy olona manolotra fanatitra varimbazaha+ ho an’i Jehovah, dia tokony ho lafarinina tsara toto izany, ary horarahany menaka sy hasiany ditin-kazo manitra eo amboniny.+ 2 Dia hoentiny any amin’ireo mpisorona zanakalahin’i Arona izany. Ary hakan’ny mpisorona eran’ny tanan’ila ilay lafarinina tsara toto misy menaka sy ny ditin-kazo manitra rehetra. Ary hodorany eo ambony alitara izany mba hidona-tsetroka, ho santionany amin’ilay fanatitra.*+ Fanatitra atao anaty afo izany, mba ho hanitra mahafinaritra* an’i Jehovah.
-