-
Nehemia 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tsy nety nihaino ry zareo+ ary tsy notadidiny ny asa mahatalanjona nataonao ho azy. Lasa mafy loha* koa izy ireo ka nanendry olona hitarika azy hiverina ho andevo tany Ejipta indray.+ Tsy nahafoy+ azy anefa ianao satria Andriamanitra vonona hamela heloka* sady mangoraka,* mamindra fo, tsy mora tezitra, ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+
-
-
Nehemia 9:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Na dia nampirisika azy hiverina hanaraka ny Lalànao aza ianao, dia mbola sahisahy ratsy ihany izy ireo, ka tsy nety nihaino ny didinao.+ Nanota izy ireo satria tsy nanaraka ny fitsipikao, izay mahavelona ny olona mankatò azy.+ Mbola mafy loha ihany izy ireo ka tsy niraharaha anao, fa nanamafy hatoka sady tsy nety nihaino.
-