-
2 Tantara 36:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Lasa mpanjaka i Joiakina+ tamin’izy 18 taona, ary nanjaka telo volana sy folo andro tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+ 10 Rehefa niandoha ny taona,* dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina,+ niaraka tamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary i Zedekia rahalahin-drain’i Joiakina no nataony mpanjakan’i Joda sy Jerosalema.+
-
-
Jeremia 24:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia*+ zanak’i Joiakima+ sady mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.* Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.+
-
-
Jeremia 29:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Nandefa taratasy avy teto Jerosalema i Jeremia mpaminany, ho an’ny sisa amin’ireo anti-panahy natao sesitany, sy ho an’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nentin’i Nebokadnezara niala teto Jerosalema sy nataony sesitany any Babylona. 2 Efa tsy teto Jerosalema intsony tamin’izay i Jekonia+ Mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka,*+ ny tandapa, ny andrianan’i Joda sy Jerosalema, ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.*+
-