FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nataon’i Nebokadnezara sesitany i Jerosalema manontolo, ny andriana+ rehetra, ny miaramila matanjaka rehetra, ary ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy*+ rehetra. Nahatratra 10 000 ny isan’ireo natao sesitany. Tsy nisy navelany afa-tsy ireo mahantra faraidiny teo amin’ny vahoaka.+ 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.

  • 2 Tantara 36:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Rehefa niandoha ny taona,* dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina,+ niaraka tamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary i Zedekia rahalahin-drain’i Joiakina no nataony mpanjakan’i Joda sy Jerosalema.+

  • Jeremia 24:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary i Jehovah nampiseho ahy aviavy roa harona teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah, taorian’ny nanaovan’i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia*+ zanak’i Joiakima+ sady mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda, sy ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.* Avy tany Jerosalema izy ireo no nentiny nankany Babylona.+

  • Daniela 1:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tatỳ aoriana, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana sasany tao an-tranon’ilay* tena Andriamanitra. Dia nentin’i Nebokadnezara tao an-tranon’ny* andriamaniny, tany Sinara,*+ ireny ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+

      3 Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Aspenaza lehiben’ny tandapany mba hitondra Israelita,* anisan’izany ny avy amin’ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara