-
Jeremia 4:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Fa maheno feo hoatran’ny feom-behivavy marary aho,
Toy ny fitarainan’ny vehivavy miteraka ny zanany voalohany,
Dia ny feon’i Ziona zanakavavy misefosefo.
Mamelatra ny tanany izy,+ sady miteny hoe:
“Loza ity fa reraka aho noho ny ataon’ny mpamono olona!”
-
-
Mika 4:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Fa maninona ianao no miantsoantso mafy?
Angaha ianao tsy manana mpanjaka?
Sa efa maty ny mpanolo-tsaina anao
No dia manaintaina hoatran’ny vehivavy efa ho teraka ianao?+
-