Jeremia
4 “Raha hiverina ianao, ry Israely ô”, hoy i Jehovah,
“Raha hiverina amiko ianao,
Ary raha hesorinao eo anatrehako ireo sampinao maharikoriko,
Dia tsy ho lasa mpirenireny ianao.+
2 Raha manao ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny ianao rehefa mianiana hoe:
‘Raha mbola velona koa i Jehovah!’
Dia hahazo fitahiana avy aminy ireo firenena,
Ary Izy no ho reharehan’izy ireny.”+
3 Fa izao no lazain’i Jehovah amin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema:
“Tany azo volena no asao,
Fa aza mamafy voa eny amin’ny tsilo.+
4 Aoka hoforana ho an’i Jehovah ianareo,
Ary forao ny fonareo,+
Ry fokon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema,
Sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako
Ka hiredareda nefa tsy hisy hamono,
Noho ny ratsy nataonareo.”+
5 Lazao any Joda izany, ary ambarao ao Jerosalema.
Mihorakoraha ary tsofy eran’ilay tany ny anjombona.+
Miantsoantsoa mafy hoe: “Mivoria,
Ary andao isika handositra ao amin’ireo tanàna voaro mafy.+
6 Manangàna famantarana* manondro ny lalana mankany Ziona.
Mitadiava fialofana, fa aza mijanona,”
Satria hahatonga loza avy any avaratra aho,+ dia fandravana be.
7 Mivoaka toy ny liona avy ao anaty kirihitra izy;+
Efa eny an-dalana ilay mpandrava an’ireo firenena.+
Mivoaka avy ao amin’izay misy azy izy mba handrava ny taninareo ka hihorohoro izay mahita azy.
Ho rava ny tanànanareo ka tsy hisy mponina.+
8 Koa mitafia lamba gony+
Ary aoka ianareo hisaona* sy hidradradradra,
Satria mbola tezitra be amintsika foana i Jehovah.
9 “Amin’izany andro izany”, hoy i Jehovah, “dia ho reraka ny fon’ny* mpanjaka+
Sy ny fon’ny* andriana.
Hihorohoro ny mpisorona ary ho gaga ny mpaminany.”+
10 Dia hoy aho: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tena namitaka tanteraka an’ity vahoaka ity+ sy Jerosalema ianao rehefa nilaza hoe: ‘Hiadana ianareo’,+ nefa efa eo an-tendanay ny sabatra.”*
11 Izao no holazaina amin’ity vahoaka ity sy Jerosalema, amin’izany andro izany:
“Hisy rivotra mahamay, avy any amin’ny havoana mangadihady any an-tany efitra,
Hitsoka any amin’ny zanakavavin’ny* fireneko.
Tsy rivotra hikororohana na hanadiovana vary anefa izany.
12 Mifofofofo avy any amin’ireny toerana ireny ny rivotra, noho ny baiko avy amiko.
Hamoaka didy hanamelohana azy ireo aho izao.
13 Ho avy toy ny rahona mainty ny fahavalo,
Ary toy ny tafio-drivotra ireo kalesiny.+
Haingam-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny.+
Idiran-doza isika fa ringana!
14 Sasao hiala ao am-ponao ny faharatsiana, ry Jerosalema ô, mba ho voavonjy ianao.+
Mandra-pahoviana ianao no mbola hanana eritreri-dratsy?
15 Fa misy feo milaza vaovao avy any Dana,+
Ary manambara loza avy any an-tendrombohitr’i Efraima izy io.
16 Ampandreneso an’ireo firenena izany.
Ambarao amin’i Jerosalema izany.”
“Misy mpitily* tonga avy any an-tany lavitra.
Hihorakoraka hamely ny tanànan’i Joda izy ireny.
17 Manodidina an’i Jerosalema toy ny mpiandry saha izy ireny mba hanafika azy,+
Satria nikomy tamiko izy”,+ hoy i Jehovah.
18 “Hivaly aminao ny fitondran-tenanao sy ny nataonao.+
Hangidy aminao ny loza hanjo anao,
Satria hatrany am-ponao mihitsy ny fikomianao!”
19 Kay, mijaly aho!* Mijaly aho!
Marary be ny foko.*
Midobodoboka ny foko ato anatiko.
20 Heno hoe nisy fandravana nisesisesy,
Satria rava ilay tany manontolo.
Rava tampoka ny tranolaiko,+
Rava tao anatin’ny indray mipy maso.
22 “Fa adala ny vahoakako.+
Tsy miraharaha ahy izy ireo.
Zanaka tsisy saina izy ireo sady tsy mahay na inona na inona.
Raha ny hanao ratsy dia tena mahay* izy,
Fa ny hanao ny tsara kosa tsy hainy.”
23 Nijery an’ilay tany aho, ka io fa tsy nisy na inona na inona sy tsy nisy mponina ilay izy.+
Nijery ny lanitra aho, ka tsy nisy hazavana intsony teny.+
24 Nijery ny tendrombohitra aho, ka ireo fa nihovotrovotra ireny.
Nihozongozona koa ny havoana.+
25 Nijery aho ka hitako fa tsy nisy olona intsony,
Ary efa lasa nandositra daholo ny voro-manidina.+
26 Nijery aho ka hitako fa lasa tany efitra ny saham-boankazo,
Ary rava daholo ny tanànany.+
I Jehovah no nahatonga izany,
Satria tezitra be izy.
27 Fa izao no lazain’i Jehovah: “Horavako ilay tany manontolo,+
Saingy tsy horavako tanteraka.
Satria efa niteny aho ary efa nanapa-kevitra,
Ka tsy hiova hevitra,* na hoe tsy hanao indray an’izay efa noeritreretiko.+
29 Nandositra daholo ny tao an-tanàna,+
Rehefa naheno ny feon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa zana-tsipìka.
Nitsofoka tany anaty kirihitra izy ireo,
Ary nianika vatolampy.+
Nilaozan’ny olona ny tanàna rehetra
Ka tsy misy mponina intsony.”
30 Rava ianao izao ka inona no hataonao?
Efa zatra nitafy ravin-damba mena midorehitra ianao,
Ary efa zatra niravaka volamena,
Sy nanao manjamaso mainty mba hanalehibeazana ny masonao.
Very maina fotsiny anefa ny nanaovanao an’izay hahatsara tarehy anao,+
Satria efa narian’ireo lehilahy te hanao firaisana taminao ianao.
31 Fa maheno feo hoatran’ny feom-behivavy marary aho,
Toy ny fitarainan’ny vehivavy miteraka ny zanany voalohany,
Dia ny feon’i Ziona zanakavavy misefosefo.
Mamelatra ny tanany izy,+ sady miteny hoe:
“Loza ity fa reraka aho noho ny ataon’ny mpamono olona!”