-
Ezekiela 23:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ohola* no anaran’ilay zokiny, ary Oholiba* kosa ilay rahavaviny. Nalaiko ho vady izy roa vavy ka niteraka zanakalahy sy zanakavavy be dia be. I Samaria+ no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.
5 “Nivaro-tena+ i Ohola tamin’izy mbola vadiko. Mafy be ny faniriany hanao firaisana tamin’ireo lehilahy niarahany,+ dia ny Asyrianina teny akaikiny.+
-
-
Ezekiela 23:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Koa natolotro teo am-pelatanan’ireo lehilahy niarahany izy, dia ny Asyrianina+ izay tiany hanaovana firaisana.
-
-
Hosea 2:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Teneno mafy ny reninareo! Teneno mafy izy,
Fa tsy vadiko intsony,+ ary izaho tsy vadiny.
Tsy tokony hijangajanga* intsony izy,
Ary tsy tokony hanitsakitsa-bady intsony.*
-