-
Matio 2:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tezitra be i Heroda rehefa hitany fa voafitak’ireo mpanandro izy. Dia naniraka olona izy hamono ny zazalahikely rehetra tany Betlehema sy ny faritra rehetra manodidina, dia izay roa taona no ho midina, araka izay efa nohadihadiny tsara tamin’ireo mpanandro.+ 17 Tamin’izay no tanteraka ilay nasaina nolazain’i Jeremia mpaminany hoe: 18 “Nisy feo re tany Rama, dia feon’olona mitomany sy midradradradra mafy. Nitomany an’ireo zanany i Rahely,+ ka tsy nety nampiononina izy, satria tsy eo intsony izy ireny.”+
-