-
Jeremia 33:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mbola hisy kijana hahafahan’ny mpiandry ondry hampiala sasatra ny andian’ondriny,+ eto amin’ity toerana ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, sy ao amin’ny tanànany rehetra.’
-
-
Ezekiela 36:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Hataoko lasa be dia be ny vahoakanao, izany hoe ny taranak’Israely manontolo, dia izy rehetra mihitsy. Dia hisy hipetraka ao amin’ireo tanàna,+ ary haorina indray ireo toerana efa rava.+ 11 Hataoko lasa maro be ny vahoakanareo sy ny biby fiompinareo,+ dia ho lasa be dia be izy ireny ary hiteraka maro. Hataoko lasa misy mponina toy ny taloha indray ao aminareo,+ ka hataoko miroborobo noho ny taloha.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.+
-