FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 26:27, 28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Nandray kaopy koa izy ka nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: “Misotroa amin’ity daholo ianareo.+ 28 Fa ity no* rako,+ dia ‘ny ran’ny fifanekena’+ izay halatsaka mba hahasoa olona maro,+ ka ho voavela ny fahotan’izy ireo.+

  • Lioka 22:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1 Korintianina 11:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy,+ rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: “Ity kaopy ity no* fifanekena vaovao+ miorina amin’ny rako.+ Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy,+ isaky ny misotro amin’izy ity ianareo.”

  • Hebreo 8:8-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Fa tena manome tsiny ny vahoaka Andriamanitra, rehefa miteny hoe: “‘Henoy izao!’, hoy i Jehovah.* ‘Ho avy ny andro hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda. 9 Tsy ho hoatran’ilay fifanekena nataoko tamin’ny razambeny, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta,+ anefa izany. Tsy nanaja an’iny fifanekena nataoko taminy iny mantsy izy ireo, ka tsy noraharahiako intsony’, hoy i Jehovah.”*

      10 “‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, aorian’izany andro izany’, hoy i Jehovah:* ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.+

      11 “‘Samy tsy hampianatra ny mpiray firenena aminy sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: “Fantaro i Jehovah!”* Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. 12 Fa hamindrako fo izy ireo na dia nanao ratsy aza, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara