FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 5:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nasain’ny mpanjaka namaky vato izy ireo mba hahazoana vato lehibe sy lafo vidy.+ Amin’izay dia vato voapaika+ no hatao fototr’ilay+ trano.

  • 1 Mpanjaka 7:9-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Vato lafo vidy+ no nanaovana an’ireo rehetra ireo. Voapaika araka ny refy nilaina ireo vato, sady notsofana tamin’ny tsofam-bato na ny anatiny na ny ivelany. Vato toy izany no nampiasaina, nanomboka teo amin’ny fototra ka hatreny amin’ny tampony. Toy izany koa ny tany ivelany, hatrany amin’ilay tokotany lehibe.+ 10 Vato ngezabe sy lafo vidy no natao fototra. Ny sasany nirefy folo hakiho, ary nisy nirefy valo hakiho. 11 Ary vato lafo vidy, voapaika araka ny refy nilaina, sy hazo sedera no teo amboniny. 12 Nasiana tamboho manodidina an’ilay tokotany lehibe. Vato voapaika telo andalana sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanaovana azy io. Nisy tamboho hoatr’izany koa ilay tokotany anatiny,+ izay misy ny tranon’i Jehovah sy ny tilikambo fidirana+ mankao amin’io trano io.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara