FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 30:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Mandeha midina any Ejipta+ izy ireo nefa tsy manontany ahy akory.+

      Te hitady fiarovana amin’i Farao,*

      Sy hialokaloka amin’i Ejipta izy ireo.

  • Jeremia 44:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary halaiko ireo sisa amin’ny Joda, dia ireo tapa-kevitra ny ho atỳ Ejipta mba hipetraka atỳ, ka ho ripaka atỳ Ejipta+ izy rehetra. Ho fatin’ny sabatra sy ho ripaky ny mosary izy ireo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary tokoa izy ireo. Dia hanozona azy ireo ny olona ary hihorohoro mahita an’izay hanjo azy. Hanala baraka sy handatsa azy ireo koa izy ireny.+

  • Ezekiela 17:17, 18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Tsy hahavonjy azy amin’ny ady anefa ny tafika lehibe sy ny miaramila be dia be homen’i Farao,+ rehefa atsangana ny dongon-tany ary aorina ny manda fanaovana fahirano mba handripahana olona be dia be. 18 Nanao tsinontsinona fianianana izy sady nivadika tamin’ny fifanekena. Efa nampanantena izy fa hitana ny teniny,* nefa mbola nanao an’izany rehetra izany ihany. Koa tsy ho afa-mandositra izy.”’

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara