-
2 Tantara 36:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+ 18 Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+
-
-
Salamo 74:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nodoran’izy ireo ny toeranao masina,+
Nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.
-