FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity,+ ka ho gaga izay rehetra mandalo eo. Hisioka izy ireo dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+

  • 2 Tantara 36:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+

  • 2 Tantara 36:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Dia nodorany ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i Jerosalema.+ Nodorany koa ny tilikambo voaro mafy rehetra teo aminy, ary nopotehiny ny zava-tsarobidy rehetra.+

  • Salamo 74:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Samy miteny any am-pony any izy ireo sy ny zanany hoe:

      “Hodorana daholo izay toerana fihaonana* amin’Andriamanitra, eto amin’ity tany ity.”

  • Salamo 79:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 79 Nidiran’ireo firenena ny lovanao,+ Andriamanitra ô!

      Nolotoiny ny tempolinao masina,+

      Ary nataony korontam-bato mivangongo i Jerosalema.+

  • Jeremia 26:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Naminany i Mika+ avy any Moreseta tamin’ny andron’i Hezekia+ mpanjakan’ny Joda, ka nilaza tamin’ny vahoakan’ny Joda rehetra hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:

      “Hasaina hoatran’ny saha i Ziona,

      Ho lasa korontam-bato mivangongo i Jerosalema,+

      Ary ny tendrombohitra misy an’ilay Trano* dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’*+

  • Fitomaniana 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Tsy neken’i Jehovah intsony ny alitarany;

      Nataony tsinontsinona ny toerany masina.+

      Navelany horavan’ny fahavalo ny mandan’ireo tilikambony voaro mafy.+

      Nihorakoraka tao an-tranon’i Jehovah izy ireo,+ hoatran’ny amin’ny andro fety.

  • Ezekiela 24:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 ‘Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Efa hozimbazimbaiko ny toerako masina,+ dia ilay toerana mampirehareha be anareo, ilay tena tianareo sy ifikiran’ny fonareo.* Ary ho fatin’ny sabatra ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, izay nilaozanareo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara