-
Apokalypsy 19:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nahita anjely iray nijoro teo amin’ny masoandro koa aho. Niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra* hoe: “Avia! Mitangoròna mba hihinana amin’ilay sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra.+ 18 Amin’izay ianareo dia hihinana ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy matanjaka+ sy ny nofon’ny soavaly sy izay mitaingina azy+ ary ny nofon’ny olona rehetra, na olona afaka na andevo, na kely na lehibe.”
-