-
Levitikosy 26:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ny fotoam-piasana eny am-pamoloana ho tratran’ny fiotazam-boaloboka, ary ny fiotazam-boaloboka ho tratran’ny famafazam-boa. Hihinana mofo ianareo ka ho voky, ary hiadana sy hilamina ao amin’ny taninareo.+ 6 Hataoko manjaka ao amin’ilay tany ny filaminana,+ ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo.+ Hesoriko tanteraka ao amin’ilay tany ny bibidia masiaka, ary tsy hisy mpanafika hamely ny taninareo amin’ny sabatra.
-