17 Norefesina daholo ny teo ambonin’ilay fidirana, ny tao anatin’ny tempoly sy ny teo ivelany, ary ny rindrina manodidina. 18 Nisy kerobima vita sokitra+ sy sarina hazo palmie tao,+ ka teo anelanelan’ny kerobima roa ny hazo palmie tsirairay. Samy nanana tarehy roa ny kerobima tsirairay.