-
Eksodosy 28:39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 “Ataovy karôkarô ny tenon’ilay akanjo lava, ary kofehy rongony tena tsara anaovana azy. Manaova koa satroka amin’ny lamba rongony tena tsara, sy fehikibo lamba vita tenona.+
-
-
Levitikosy 16:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tokony hanaovany ny akanjo lava masina vita amin’ny lamba rongony.+ Ary tokony hanarona ny vatany* ny kilaoty lava* vita amin’ny lamba rongony.+ Tokony hanaovany koa ny fehikibo lamba rongony,+ ary hataony mihodidina ny lohany ny satroka lamba rongony.+ Akanjo masina ireo,+ ka handro amin’ny rano izy+ vao hanao an’ireo.
-