-
Ezekiela 10:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary niakatra ireo kerobima. Ireo* ihany ny zavamananaina efa hitako teo amoron’ny reniranon’i Kebara.+ 16 Rehefa nandeha ireo kerobima, dia nandeha teo anilany koa ny kodiarana. Ary rehefa nanainga ny elany hiakatra avo ambonin’ny tany ireo kerobima, dia tsy nivily na niala teo anilany ny kodiarana.+ 17 Rehefa nijanona izy ireo, dia nijanona koa ny kodiarana. Rehefa niakatra izy ireo, dia niakatra koa ny kodiarana, satria ilay fanahy izay niasa tao amin’ireo zavamananaina* ihany no tao amin’ireo kodiarana ireo.
-