FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla. Ary nisy didim-pitsarana navoakan’izy ireo momba azy. 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+

  • Jeremia 34:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary tsy ho afa-mandositra azy ianao, satria tsy maintsy ho tratra ka hatolotra eo an-tanany.+ Hifanatri-maso amin’ny mpanjakan’i Babylona ianao, ary izy hiresaka mivantana aminao. Dia hoentina any Babylona ianao.’+

  • Jeremia 52:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nopotsirin’ny mpanjakan’i Babylona ny mason’i Zedekia.+ Ary nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ka nentiny tany Babylona, dia nataony am-ponja mandra-pahafatiny.

  • Ezekiela 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia ho faty any Babylona izy, dia any amin’ny tanin’ilay mpanjaka* nanao azy* ho mpanjaka. Nanao fianianana taminy mantsy izy nefa nataony tsinontsinona izany, ary nanao fifanekena izy ireo nefa tsy nohajainy izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara