-
Eksodosy 24:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nijanona teo amin’ny Tendrombohitra Sinay+ ny voninahitr’i Jehovah.+ Ary nanarona an’ilay tendrombohitra ilay rahona nandritra ny enina andro. Dia niantso an’i Mosesy avy tao afovoan’ilay rahona izy, tamin’ny andro fahafito. 17 Rehefa nitazana ny Israelita, dia toy ny afo miredareda teo an-tampon’ilay tendrombohitra no fahitan’izy ireo ny voninahitr’i Jehovah.
-