FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 9:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Rariny ny anao matoa manjo anay izao rehetra izao. Tsy mivadika amin’ny teninao mantsy ianao, fa izahay no nanao ratsy.+

  • Jeremia 22:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: “Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tanàna lehibe ity?”+ 9 Dia hisy hamaly hoe: “Satria nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sy nanompo an’ireny.”’+

  • Ezekiela 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hoy izy tamiko: “Be loatra ny fahadisoana nataon’ny taranak’Israely sy Joda.+ Feno ra mandriaka+ ilay tany, sady manjaka ao an-tanàna ny kolikoly.+ Hoy mantsy izy ireo: ‘Efa nafoin’i Jehovah ange ny tanintsika e! Dia tsy mahita antsika i Jehovah.’+

  • Daniela 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ianao no manao ny rariny, Jehovah ô, fa izahay kosa menatra.* Menatra izahay mponin’i Joda sy Jerosalema ary ny Israely rehetra izao, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin’ny tany rehetra nanaparitahanao an-dry zareo noho izy nivadika taminao.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara