FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 29:24-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: ‘Maninona io tany io no nataon’i Jehovah hoatr’izao?+ Fa maninona izy no tena tezitra be?’ 25 Dia hilaza ny olona hoe: ‘Satria ry zareo nivadika tamin’ilay fifanekena nataon’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny tamin’izy nitondra an-dry zareo nivoaka avy tany Ejipta.+ 26 Lasa nanompo andriamani-kafa mantsy ry zareo, sady niankohoka teo anatrehan’ireny, dia andriamanitra tsy fantany sady tsy navelan’Andriamanitra hotompoiny.+

  • 1 Mpanjaka 9:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity,+ ka ho gaga izay rehetra mandalo eo. Hisioka izy ireo dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+ 9 Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razambeny nivoaka avy tany Ejipta, ary maimay erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamely azy ireo tamin’izao loza rehetra izao.’”+

  • Fitomaniana 2:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mitehaka maneso+ anao daholo izay mandalo eo amin’ilay lalana.

      Gaga izy ireo dia misioka+ sy mihivingivin-doha mahita an’i Jerosalema zanakavavy, ka milaza hoe:

      “Io ve ilay tanàna nolazaina hoe ‘faran’izay tsara tarehy sy mahafaly ny olona rehetra eran-tany’?”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara