-
2 Tantara 36:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+
-
-
Jeremia 25:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko izy ireo ka hiady amin’ity tany ity+ sy ny mponina eto, ary amin’ireo firenena rehetra manodidina ireo.+ Dia haringako tanteraka ireo rehetra ireo ka hataoko mihorohoro sy misioka ny olona noho izay hanjo azy. Ary ho rava mandrakizay izy rehetra.
-