-
Eksodosy 20:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “Tsarovy ny andro sabata mba ho masina foana io andro io.+ 9 Enina andro+ ianao no hiasa sy hanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa ny andro fahafito kosa Sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona, na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny mipetraka ao amin’ny tanàna kelinao.*+
-
-
Levitikosy 23:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hitsahatra tanteraka ianareo. Hotsofina ny trompetra amin’io andro io mba hahatsiarovanareo+ fa fivoriambe masina izy io.
-
-
Levitikosy 25:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fa hisy sabata fialan-tsasatra tanteraka ho an’ilay tany kosa amin’ny taona fahafito, ho sabata ho an’i Jehovah. Aza amafazana voa ny sahanao, ary aza rantsanana ny voalobokao.
-
-
Levitikosy 25:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ho Jobily ho anareo ny taona faha-50. Aza mamafy voa na mijinja an’izay naniry ho azy avy tamin’ny voa tavela taorian’ny fijinjana farany. Ary aza otazana ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana.+
-